Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-4

7 Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin'Andriamanitra ny halehiben'ny herin'ny Evanjely, fa tsy avy aminay.

8 Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorina, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; 10 entinay amin'ny vatanay lalandava ny fahafatesan'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny vatanay koa. 11 Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny nofonay mety maty. 12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Noho izahay manana ilay Fanahin'ny finoana voasoratra hoe: Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny.

14 Satria fantatray fa izay nanangana an'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, dia hanangana anay miaraka amin'i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. 15 Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran'ny maro ho voninahitr'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0715